Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko !

Nampidirin'i pilato | 6 Mey, 2009
Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko !

Averiko kely ny tantara :
Babo tany Babylona ny Israelita. Ary Ahasoerosy no mpanjaka tamin'izany, asa na tsara fanahy izy na ahoana (...) fa nandritra ny fitondran'ity mpanjaka dia Hamama komadiny no mibaiko izay rehetra eo amin'ny firenena. Anisan'izany ny hoe handringanana ny Jiosy (izay nokilasiany fa fahavalony). Teo indrindra no niteny i Estera fa tsy hainy ny hangina ka hoy izy : ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko !
Moa va tsy izany tantara izany no mitranga ankehitriny. Ny filoha no Ahasoerosy. I Commandant no Hamama. Ny mpanaraka ny ara-dalàna no Jiosy, ary tsy maintsy haringana hatramin'ny fakany hoy i Hamama ratsy fanahy.
Dia anjarantsika no mijery ny fiafaran'ny tantara ao amin'ny baiboly. Ho an'ny baiboly protestanta dia Estera no anaran'ny boky fa izay mitovitovy amin'izay no izy amin'ny baiboly katolika.
Ianao izao no antsoina koa hoe Estera vaovao...

Tonga soa Pilato!

Nampidirin'i pilato | 6 Mey, 2009
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.